Andriamanitra mamonjy ny ondriny

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Jolay 2024

Ezekiela 34. 20-31

Ezekiela 34. 20-31
20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny ondry matavy amin'ny ondry mahia. 21 Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany; 22 dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny ondry namany. 23 Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy. 24 Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany. 25 Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza. 26 Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra. 27 Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy. 28 Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy. 29 Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony; 30 ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo. 31 Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.

Andriamanitra mamonjy ny ondriny

1- Mampiray azy

« Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, … » (And. 23) Talohan’ny fahababoana dia nivaky roa ny fanjakan’ny Isiraely: nisy ny fanjakana Avaratra ary nisy ny fanjaka Atsimo. Rehefa hiverina avy any ampahababoana ireto Jiosy ireto, Andriamanitra no hamerina azy ireo indray ho fanjakana tokana, niombona ara-politika sy ara-pivavahana tahaka ny tamin’ny andron’i Davida mpanjaka. Araka izany, asan’Andriamanitra ny mampiombona ny vahoakany fa tsy efan’ny ezaka sy ny fanirian’olombelona fotsiny ihany. Rehefa Andriamanitra no mampiombona, dia miombona na ara-politika sy ara-pivavahana ny vahoaka. Ary izany no nanomezany an’i Jesoa Kristy mba hampiombonany antsika rehetra, izay tsy mitovy hevitra, ho amin’ny famonjena.

2- Manavao ny fanekeny indray

« Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ny tany intsony… » (And. 25) Hanao fanekem-pihavanana vaovao amin’ny vahoaka indray Andriamanitra. Rehefa vita izany fanekena izany, dia tsy hisy biby masiaka intsony. Ny biby masiaka izay entina ilazana ny firenena jentilisa nandrava ny firenen’i Isiraely sy Joda fa handry fahizay ny firenena. Araka izany, Andriamanitra ihany no afaka mamonjy antsika amin’izao fahapotehana misy eto amin’ny firenena izao. Andriamanitra irery ihany koa mahay mampitsahatra ny fambaboana ny firenentsika ankolaka izao, ka ny firenena any ivelany no misitraka sy mahazo tombotsoa amin’ny zava-misy eto amintsika. Fa ny adidintsika kosa manaiky ny fanekena vaovao ataony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Inona no antony tsy mampilamina ny firenentsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe