Fahombiazana ho an’ny Fanjakana rehefa Mankato ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Jolay 2024

2 Tantara 25.1-12

2 Tantara 25.1-12
1 [Ny nanjakan'i Amazia] Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema. 2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin'ny fony rehetra. 3 Ary nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy. 4 Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona. 5 Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe. 6 Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato. 7 Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra. 8 Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo. 9 Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany. 10 Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra. 11 Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seira izy. 12 Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.

1- Voasoratra (and 4)

« …nefa ny zanak’ireo tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalana, dia ao amin’ny bokin’i Mosesy, izay nandidian’i Jehovah hoe: ny ray tsy atao maty amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy atao maty noho ny ataon’ny rainy« . Tsy ny fahefany na ny heriny teo am-pelatanany no nandraisan’i Amazia fanapahan-kevitra tamin’ny zavatra nataony, fa ny « bokin’i Mosesy », io bokin’i Mosesy io no antsointsika hoe Baiboly na Tenin’Andriamanitra voasoratra ankehitriny. Maneho izany fa tsy hahita fahombiazana mihitsy ny firenena raha ailika na tsy mba ankatoavin’ny mpitondra ny Soratra Masina.

2- Entin’ny mpanompony (and 7)

« Nefa nisy lehilahin ‘Andriamanitra tonga tao aminy…« . Teo mihitsy ny fanaovan’i Amazia ho zava-dehibe Tenin’ Andriamanitra voasoratra, fa teo ihany koa ny fihainoany ny torohevitra entin’ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy ny mpanolo-tsainy ara-politika na izay heveriny ho manam-pahalalana no nohenoiny fa ny mpanompon’Andriamanitra, ary nankatoaviny. Raha entina mankaty amin’ny vaninandrontsika izany dia izao, mpitondra mihaino Toriteny, mpitondra mandeha any am-piangonana, mpitondra tsy manilikilika ny Fiangonan’Andriamanitra no mahita fahombiazana sy afaka mampiadana ny vahoaka.

Fanontaniana

Inona no azo hanazavana ny tsy fahombiazan’ny fitondram- panjakana iray?

Sampana Sekoly Alahady Foibe