Olona efa mijoro tsara amin’ny finoana ary mila fampaherezana sy fitondrana am-bavaka mba hahazoana miorina sy hanohy maneho fitiavana amin’ny mpiara-belona
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Jolay 2024
Kolosiana 1.9-14
Kolosiana 1.9-14
9 [Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy] Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy, 10 mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra, 11 ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana, 12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava, 13 sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, 14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.Faly sady velom-panantenana tamin’ny Kristiana tao Kolosia i Paoly Apostoly. Tena soa fianatra izao ataony izao, ary ampirisihina antsika mba:
1- Hampahery ny efa mijoro tsara (and 9)
« Ary noho izany, izahay…dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo… » hoy i Paoly eto. Ny zavatra tsikaritra eto dia izao, tsy ny Kolosiana no mangataka amin’i Paoly mba ho entina am-bavaka, fa i Paoly tenany no mahatsiaro fa tsy ny olona reraka sy kivy ihany no tokony hampaherezina fa izay efa mijoro ihany koa dia mila fampaherezana sy fitondrana am-bavaka mba hahazoan’izy ireo mahajoro tsara, sy miorina amin’ny finoana fa indrindra indrindra mba hahazoan’izy ireo manohy maneho fitiavana hatrany eo amin’ny mpiara-belona aminy (Kol 1. 4). Mba hahatonga azy ireo ho fanasina sy fahazavana hatrany. Mba ianaro izao fampaherezana ny efa mijoro izao; tsy midika anefa akory izany hoe aza mivavaka ho an’izay tena mbola mila fanarenana sy taomina ho ao amin’i Jesoa.
2- Hikatsaka ny soa ho azy ireo (and 10, 11)
« …Mba handehananareo mendrika ny Tompo…ary ampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ho amin’ny heriny rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana« . Tsindrian’i Paoly eto fa izay mba hananan’ireo Kolosiana ireo, izay azo lazaina fa zanany am-panahy ireo, ny anjara tsara no imatimatesany ka mahatonga azy mivavaka tsy mitsahatra ho azy ireo. Sitrak’i Paoly ny mba hahazoan’ ireo « zanany » ireo ny fiainana tsara lavitra, dia ny fiainana mandrakizay. Dia ireo zanany, izay efa lazain’i Paoly fa efa nalan’ny Tompo tao anatin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagaga!
Fanontaniana:
Ny olona manao ahoana araka izany no isan’izay tokony entina am-bavaka?
Sampana Sekoly Alahady Foibe