Raha tsoahina ny hevitra fonosin’ity tantara ity momba ny fitoriana ny filazantsara dia mivoitra amin’izany fa ny fitoriana ny filazantsara dia:
Mofonaina anio: Talata, faha 09 Jolay 2024
Marka 6.7-13
Marka 6.7-13
7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto. 8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola* ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.[*Gr. varahina] 9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa. 10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. 11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy. 12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. 13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.Raha tsoahina ny hevitra fonosin’ity tantara ity momba ny fitoriana ny filazantsara dia mivoitra amin’izany fa ny fitoriana ny filazantsara dia:
1- Iraka avy amin’i Jesoa ihany (and 7)
Tantaraina amintsika eto fa nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka naniraka azy ireo tsiroaroa ary nanome azy ireo ny fahefana hamoaka fanahy maloto. Hita taratra amin’izany fa tsy manira-tena akory ny olona raha hitory ny filazantsara fa i Jesoa no miantso sy maniraka; ary ny tena mampiavaka azy dia izao, ny fahefana hamoaka fanahy maloto dia i Jesoa irery ihany no afaka manome azy. Taomina isika hiverina hihevitra izany indray, ka hahatsiaro fa misy Tompo mpaniraka ka tsy mandeha amin’izay tiana fa amin’izay aniraha’ny mpaniraka.
2- Ifanohanana sy ifanampiana (and 7)
Misongadina eto kosa fa tsiroaroa no nanirahan’i Jesoa ny mpianany, midika izany fa tsy natao izahozahoana irery ny asa fitoriana ny filazantsara fa ifanomezan-tanana sy iaraha-manao mba hahatomombana azy araka ny tokony ho izy. Rahateo, tsara ny roa noho ny iray fa misy valiny tsara ny fisasarany (Mpit 4. 9) ary rehefa mamaky ny tohin’ity tantara ity isika dia hahita fa fahombiazana no azon’ireo mpianatra tamin’ny iraka nampanaovina azy ireo.
3- Natao hanafaka ny olona amin’ny fatorany (and 13)
Nitory fibebahana ny mpianatr’i Jesoa ary namoaka demonia maro koa izy ireo, satria efa nomen’i Jesoa fahefana hanao izany rahateo. Fa izay tena misongadina eto dia izao, fahafahana ho an’izay nandray no vokatry ny fitoriana ny filazantsara. Tokony hitandrina isika ary fa sao vao mainka manampy trotraka ny geja efa mahazo ny olona indray.
Fanontaniana: Fomba ahoana ary araka izany no mampakomby ny fitoriana ny Filazantsara?