Jesoa Kristy no manome fahazavana sy mitarika ny olona manaraka Azy amin’ny lalan’ny fiainana marina.
Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Jolay 2024
Jaona 8:12-19
Jaona 8,12 - 19
12 Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina. 13 Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao. 14 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako. 15 Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza. 16 Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy. 17 Ary voasoratra ao amin'ny lalànareo fa marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo. 19. 15). 18 Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa. 19 Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.Hoy ny filazan’i Jesoa eto: « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka Ahytsy mba handeha amin’ny maizina … » Azontsika takarina avy amin’izany tenin’i Jesoa izany, fa raha toa mandeha irery sy amin’ny herin’ny tenany, na ny saim-patany fotsiny ny olona na ihany koa, mitoky amin’izay mety ho fahalalany na fahefany na hareny, dia tsy mahita ny lalan-kalehany satria mandeha amin’ny maizina izy, tsy fantany akory ny miandry azy, tsy hitany akory ny tokony sy tsy tokony hizorana ary tsy fantany akory hoe aiza ho aiza no misy azy, fa toy ny jamba nanilika ny mpitantana azy. Tsy mahagaga raha miraparapa, sy tafintohina ary ho diso fanantenana izy. Fa ianao kosa aza mandeha irery; i Jesoa ihany arahina tsara, ny finoana Azy no ioreno tsara.
2. Manana ny mazava (and 12d)
Hoy i Jesoa hoe : « fa hanana ny fahazavan’aina. » Rehefa dinihantsika tsara io andininy io dia maneho fa tsy hoe tsy ho diso lalana fotsiny ihany akory izay manaraka an’i Jesoa fa sady mahita ny lalan-kaleha izy, tsy sasa-miarina na maratra am-pandehanana vokatry ny aizina fa mahazo fiainana, ary fiainana mandrakizay mihitsy, no sady fiainana be dia be. I Joba dia efa niaina an’io raha nilaza hoe : « mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka mba hihazavany amin’ny fahazavan’aina. » (Joba 33. 30) rehefa nahatakatra izy fa ao amin’ny Tompo ihany no azo antoka hahazoana fiainana fa ivelan’izany dia aizina sy fahadisoam-panantenana.
Fanontaniana :
Manaraka an’iza moa ny lalam-piainana izao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe