Karazana mpanara-dia an’i Jesoa

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Jolay 2024
Lioka 8.1-3
1 Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. 2 mbamin'ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia fito, 3 sy Johana, vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa koa, izay nanompo azy* tamin'ny fananany. [*Na: Azy]

1- Ny olona manaiky ho mpianany (and 1)

« …lasa Jesoa nitety ny tanana sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny roa amhin’ny folo lahy nanaraka Azy » hoy ny fitantarana eto. Midika izany, fa izay manaiky ho mpianany, nahafoy ny zavatra rehetra no mahay manaraka an’i Jesoa. Ary tsy manaraka Azy hitsangatsangana akory fa ho mpiara-miasa hitory ny filazantsara. Mazava araka izany fa tsy olona mpitady tombontsoa manokana no manaraka an’i Jesoa fa izay nahafoy aza, ka vonon-kitory ny filazantsara.

2- Ny olona efa nisitraka ny famonjeny (and 2)

Voalaza eto fa nanaraka an’i Jesoa koa « …mbamin’ny vehivavy sasany, izay efa nositraniny…« . Izany hoe ireo izay tena efa nahatsapa mivantana teo amin’ny fiainany fa i Jesoa tokoa no mpamonjy izao tontolo izao. Tsy olona nitantarana fa tena niaina mihitsy sy nahatsapa ny herin’i Jesoa ka resy lahatra amin’ny finoana Azy. Azo lazaina mihitsy koa hoe efa nihaona tamin’i Jesoa! Ary ianao mba ahoana?

3- Ny olona vonona hanompo azy (and 3)

Mbola hamafisina eto fa misy olona hafa koa izay ambara amin’ny hoe « …mbamin’ny maro hafa koa, izay nanompo Azy tamin’ny fananany« . Midika izany fa, rehefa nanaiky an’i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny olona dia tsy ny tenany ihany no atolony hanompo an’Andriamanitra fa izay rehetra azy koa dia foiny hanohanana ny asa fitoriana ny filazantsara mba handrenesan’ny olona rehetra ny famonjena. Hatraiza ny fahafoizantsika ho an’ny asa fitoriana ny filazantsara?

Fanontaniana:

Isan’izay manaraka an’i Jesoa ve ianao? Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra misafidy sy manome her...

Talata, 2 Jolay 2024

Mosesy, irahin’Andriamanitra handeha hanafaka ny Zanak’i Isiracly eo ambany fanandevozan’ny Egyptiana no tantaraina aminitsika eto.…

Miavaka ny Andriamanintsika

Asabotsy, 29 Jona 2024

Miavaka ny Andriamanintsika 1- Maharo antsika Izy Ny teny hoe maharo eto dia milaza ny…

Vavaka fototry ny fahombiazana

Zoma, 21 Jona 2024

1 Sam. 7.2-14 Vavaka fototry ny fahombiazana! Nalahelo an’i Jehovah ny olona noho ny fiaran’ny…