Andriamanitra misafidy sy manome hery ny olona hiara-miasa Aminy
Mofonaina anio: Talata, faha 02 Jolay 2024
Eksodosy 4. 9-17
Eksodosy 4. 9-17
9 Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina. 10 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. 11 Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va 12 Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao. 13 Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina. 14 Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony. 15 Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo. 16 Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy. 17 Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.Mosesy, irahin’Andriamanitra handeha hanafaka ny Zanak’i Isiracly eo ambany fanandevozan’ny Egyptiana no tantaraina aminitsika eto. Ary azontsika tsoahina avy amin’izany fa Andriamanitra raha mifidy olona hiara-hiasa aminy dia:
1- Tsy olona tonga lafatra no nofidiany (and 10)
Izao no tenin’i Mosesy: « Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha na hatramin izao … fa votsa vava sy miadam-piteny aho« . Hitantsika amin’izany fa na dia i Mosesy ihany aza dia nahalala fa olona voafetra sy manana fahalemena (tsy hoe fahotana akory no tiana ambara eto fa fetra) izy, ary izany no nahatonga azy nihevitra fa tsy antonona azy, na tsy tokony ho ny toa azy no hiara-hiasa amin’Andriamanitra hitondra fanafahana ho an’ny mpiray firenena aminy. Toa te hilaza mihitsy aza i Mosesy fa hoe sao mba diso fifidy olona (erreur de casting) ary ny Tompo. Ianao na dia voafetra aza, ilain’ Andriamanitra foana. I Jesoa rehefa nifidy ny mpianany anie dia olombelona voafetra koa e!
2- Ombany sy ampiany (and 14)
Nasehon’ Andriamanitra mazava tsara mihitsy anefa eto, fa tsy diso fisafidy velively Izy, ary matoa niantefa tamin’i Mosesy ny safidiny dia satria fantany fa hahavița izany i Mosesy. Hita eto fa nahatezitra an’Andriamanitra mihitsy aza izany fiahotrahotr’i Mosesy izany. Na izany aza anefa, dia ahitan’Andriamanitra vahaolana hatrany satria nomeny i Arona hanampy an’i Mosesy. Mahazo matoky tanteraka isika fa rehefa manaiky irahin’Andriamanitra dia omeny vahaolana ihany koa fa tsy avelany hiady irery akory. Toky nomen’i Jesoa ny mpianany ny fombany azy ireo, ary toky ho anao izy vonona hanao ny asany koa! Mahefà be àry!
Fanontaniana
Ahoana no fahazoanao ny fifidianan Andriamanitra olona?
Sampana Sekoly Alahady Foibe