Miaro ny olony ny TOMPO

Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Jona 2024

Jaona 18. 1-11

Jaona 18. 1-11
1 Rehefa voalazan'i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin'ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran'izy sy ny mpianany. 2 Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin'ny mpianany. 3 Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana. 4 Ary satria fantatr'i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin'ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo? 5 Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy. 6 Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin'ny tany. 7 Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta. 8 Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto; 9 mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy. 10 Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo. 11 Dia hoy Jesosy tamin'i Petera: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?

Miaro ny olony ny TOMPO

1- Mandeha eo alohantsika izy

Tonga ny miaramila iray toko izay niaraka tamin’i Jodasy hisambotra an’i Jesoa. Ny zavatra nataony voalohany dia avy hatrany Izy dia nivoaka nitsena ireo fahavalo ireo. Izany sary izany dia tena maneho ny maha Mpiandry ondry an’i Jesoa. Ny mpiandry ondry dia eo anoloan’ny ondry andrasany no mandeha ka sady mitari-dalana no misedra sahady izay zava-mitranga. Tsarovy fa amin’izay alehantsika dia eo anoloantsika Jesoa ary misedra sahady ireo olana maro samihafa mitady hanafika antsika.

2- Tsy mampiditra antsika amin’ny ady

Hoy Jesoa: avelao andeha ireto! Ny mpianany sy ny mpanara-dia azy no ambarany amin’izany. Satria tsy ho an’ireo no nahatongavan’ny fahavalo. Ny famonjena dia asan’ny Tompo ka Izy no manatanteraka azy. Izao fihetsiny izao dia mariky ny fahavononany hiroso amin’ny lalan’ny fijaliana hahazoantsika famonjena. Fantany tsara ny fijaliana hanjo azy kanefa tsy nihemotra Izy satria tiany ho tanterahina ny famonjena ho ahy sy ho anao. Fa toa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao. Nomeny ny Zanany. Mba tsaronao ve izany?

Fanontaniana:

Inona avy ireo ady natrehanao ka nametrahanao an ‘i Jesoa ho teo alohan’izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe