Mpamonjy tokana Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Jona 2024

Isaia 43. 1-7

Isaia 43. 1-7
1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. 2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; 3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. 4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao. 5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; 6 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany, 7 Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.

Mpamonjy tokana Andriamanitra

1- Efa niantso anao Izy:

Andriamanitra mahatsiaro ny vahoakany no miteny sy manome toky azy ireo no hitantsika eto. Olona any am- pahababoana no resahany eto. Ny fanomezan-toky omeny ny vahoakany dia ny teny hoe efa niantso ny anaranao Aho. Ahy ianao. Ny fiantsoany ny olony tany am-boalohany dia fangalany sy fanavahany ny olony tao anatin’ny maro. Toy izany koa isika anio. Efa nantsoiny tao amin’i Jesoa Kristy isika koa tiany homena toky fa efa Azy isika. Efa olona eo an-tanany isika, efa zanany sy asan’ny tanany isika ka tena adidiny indrindra. Fa olona maro eto amin’ity izao tontolo izao ity tokoa dia ianao no antsoiny. Ianao no sitrany handray ny famonjena izay notanterahany tao amin’i Jesoa Kristy

2- Efa vonona hitantana anao Izy:

Raha mijery tsara isika dia misy toe-javatra izay andraisan’ny Tompo andraikitra raha mita ny rano dia hombàny, raha mita ny ony dia tsy hanafotra izany, raha mamaky ny afo dia tsy ho may. Tsy fitantanana fotsiny izany no ataon’ny Tompo fa fiahiana sy fiarovana. Ataony tsy manan-kery amin’ny olony ny fahoriana sy fahasahiranana. Ataony tsy mitovy ny manompo Azy sy ny tsy manompo Azy. Satria malala eo imasony ianao

Fanontaniana:

Aiza avy no alehanao ilanao an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe