Tsarovy fa olona miavaka ianao
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Jona 2024
1 Tesaloniana 5.4-11
1 Tesaloniana 5.4-11
4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika. 6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina* ka hahonon-tena. [* Gr. hiari-tory] 7 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina. 8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. 9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. 11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.Tsarovy fa olona miavaka ianao
1- Tsy ao amin’ny maizina : (and.4)
Ny olona nandray an’i Kristy no ambaran’i Paoly eto hoe tsy ao amin’ny maizina. Satria Izy no fahazavan’ izao tontolo izao ka izay manaraka Azy tsy mba handeha amin’ny maizina. Fa firy amintsika no mahatsiaro fa efa ao amin’ny mazava isika? fa mbola ny asan’ny maizina ihany no ataontsika. Mbola ny fahotana ihany no mamintsika. Mbola ny fanao ratsy ihany no imatimatesantsika hatao. Very sy nilatsadatsa-poana ny ran’i Kristy noho ny ataontsika. Andao àry andeha tahaka ny zanaky ny Mazava isika. Vakio ka tanteraho ny Gal.5,22-24
2-Koa aza mba matory:
Paoly raha milaza izany eto dia tsy ho amin’ny fiomanana ny fiavian’ny Tompo ihany fa ny amin’ny fiainana isan’andro mihitsy. Ny olona matory dia izay variana amin’ny fiainan’izao tontolo izao. Fa ho ao anatin’ny fiainam-bavaka hatrany. Ka hanana fiainana feno fitahiana sy fahasoavana no vonona tsara amin’ny fiavian’ny Tompo. Efa maro isika no nesorin’ny Tompo tao amin’ny fiainan’izao tontolo izao fa saingy mbola miverina sy tamana amin’izany. izany ilay hoe manana anarana velona nefa maty ihany.
Fanontaniana:
Inona avy no zavatra mohazona ny olona analy torimasom-panahy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe