Jehovah mpanafaka ny olony
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Jona 2024
Eksodosy 15. 1-5
Eksodosy 15. 1-5
1 [Ny fihirana nataon'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa tafita ny Ranomasina Mena izy] Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina. 2 Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. 3 Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. 4 Ny kalesin'i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin'ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin'ny Ranomasina Mena. 5 Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.Jehovah mpanafaka ny olony
1- Izy no aoka hoderaina
Manakoako efa ho andro vitsivitsy izay ny hira milaza fifaliana satria fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovan-tena ho antsika Malagasy izao. Anio no filalaovana ny arendrina. Fa raha ny hira ataon’i Mosesy eto dia tena hira fankalazana an’Andriamanitra izay tena niasa ka antony nahazoana ny fahafahana. Izy Andriamanitra no mendrika izany araka ny ambara eto. Indraindray dia adinontsika Malagasy ny midera an’Andriamanitra, fa lasa fotoana hamohazana ny fanompoan-tsampy aza ny fety tahaka izao.
2- Izy no nandray anjara tamin’ny adintsika
Jehovah Mpiady mahery по iantsoan’i Mosesy an’Andriamanitra satria ny sandriny mahery по nampiasainy handavoana ny fahavalon’ny vahoakany. Raha mandinika ny voalaza isika dia toa mahita ny Tanany mandray anjara amin’ilay ady: ny kalesy sy ny miaramila natsipiny ao amin’ny ranomasina ary nalentika any amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Toy izany no anaovan Andriamanitra ny fahavalontsika izay mitady handavo antsika. Tsy tamin’ny andron’i Mosesy ihany no anaovany izany fa anio dia anio koa ho ahy sy ho anao. Koa raiso Jesoa ho Mpanjakan’ny fiainanao
Fanontaniana:
Inona avy ireo fahavalo heverinao fa tsy ho resin’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe