Miaro ny olony ny Tompo, ka:
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Jona 2024
1 Mpanjaka 16. 8-10
1 Mpanjaka 16. 8-10
8 Tamin'ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Elaha, zanak'i Basa, tamin'ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy. 9 Ary Zimry mpanompony, komandin'ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon'i Arza, lehiben'ny tao an-dapa tao Tirza, izy. 10 Dia niditra Zimry ka namely an'i Elaha ho faty tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.Miaro ny olony ny Tompo, ka:
1- Tanterahiny ny Teniny
Mpanjaka iray antsoina hoe Elaha, izay nanjaka tao amin’ny fanjakana Avaratra, no voalaza eto. Roa taona no nanjakany hoy ny and.8. Ho fiarovan’Andriamanitra ny olony dia tsy avelany haharitra ny taranaky ny ratsy fanahy. Ivereno vakiana ny and.1-4 fa noho ny ratsy izay nataon’i Basa mpanjaka dia nofongorana ny Notanterahan’Andriamanitra izany eto. taranany.
2- Fongorany izay mpitarika amin’ny faharatsiana
Voalaza eo amin’ny and.9 fa tamin’ny fotoana izay nisotroan’izy ireo ka mamo no nanafihan’i Zimry azy. Mpanjaka misotro sy mitarika ny olona ho amin’ny fahamamona fa tsy mba lehibe ho fitaratra ho an’ny vahoaka. Nofongoran’Andriamanitra tsy ho eo amin’ny fanjakany.
Fehiny:
Andriamanitra tsy azo vazivaziana ny Andriamanitsika fa izay afafin’ny olona no jinjainy. Ary izay fahotana sy tsy fahamendrehana nataon’ny ray aman-dreny dia tokony hialana mba tsy handovana ny ozona sy izay fahatezeran’ Andriamanitra. Basa efa nanao ratsy mbola nisotro toaka ihany Elaha zanany. Ary eto ny vokatry ny fahamamona dia tsy hahatsinjovana ny fahafatesana.
Fanontaniana:
Tanisao ireo voka-dratsin’ny fahamamoana fantatrao
Sampana Sekoly Alahady Foibe