Mampitandrina antsika ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Jona 2024
Matio 16. 5-12
Matio 16. 5-12
5 Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy. 6 Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. 7 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany. 8 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo? 9 Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo? 10 na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo? 11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. 12 Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.Mampitandrina antsika ny Tompo
1- Ho malina tsara:
Niteny tamin’ny mpianany Jesoa eto «mitandrema ianareo ». Ny teny nadika hoe mitandrema dia hoe mijere tsara, saino tsara, aoka hodinihina tsara, aoka hotandremana tsara. Io teny io no nambaran’i Jesoa fa na dia olona mahay ny Soratra Masina tsara aza dia tsy maintsy tandremana ny ataony (Fariseo sy ny Sadoseo). Fanaon’ny olona ny maka tahaka na manaraka izay heveriny ho tena mpivavaka. Mila mandinika tsara isika manomboka anio. Ny tahaka ny inona sy tahaka ny ahoana no tokony alaintsika tahaka. Hoy i Paoly << aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy >> (1Kor. 11,1)
2- Fa sao ho azon’ny masirasira
Tsy izay momba ny Fariseo sy ny Sadoseo rehetra akory dia ratsy fa misy izay toetra tsy tsara mila tandremana. Dia ilay toetra ratsy toa kely kanefa misoko mangina mahenika ny fiainana iray manontolo. Izany rahateo no toetry ny masirasira na lalovay fanaovana mofo. Ary ny loza dia tsy misy mahasakana azy fa misoko tsy tana any anaty ati-mofo any izy. Ny zavatra tadiavin’ny Tompo dia tsy ho masirasira isika fa ho mamy sira araka izay voalazan’i Paoly hoe << Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira» (Kol 4:6)
Fanontaniana:
Inona avy ireo karazana masirasira fantatrao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe