Mpamonjy hafa loatra Andriamanitsika

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Jona 2024

Salamo 46. 1-11

Salamo 46. 1-11
1 [Fahatokiana an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy. 2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra, 3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. 4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra. 5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro. 6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany. 7 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. 8 Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana et? an-tany; 9 Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo. 10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho. 11 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.

Mpamonjy hafa loatra Andriamanitsika

1- Mpamonjy mora azo Izy:

Tena toetran’Andriamanitra izany. Amin’ny teny hafa dia ambara hoe Mpamonjy vonona mandrakariva. Na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza no ilantsika Azy dia eo mandrakariva Izy ary vonona amin’izay famonjena ilantsika Azy. Tsy mba sarotra ny miantso Azy fa antsoina Izy dia mamaly: <<Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. » (Jer 33.3)

2- Aro sy hery Izy:

Tsy hoe manana hery izy fa Izy mihitsy no herintsika ary miaro antsika amin’ny fahavalo maro. Ny Anarany hoe << aro >> dia milaza toerana sy maneho toeram-pialofana azo hisitrihana raha tojo loza. Manambara izany fa Izy no hany azo antoka ho antsika manoloana ny rivo-maherin’ny fiainana. Ary ny << hery>> indray dia maneho ny fahefana entin’ Andriamanitra miady amin’ireo fahavalontsika. (vakio Eks 15.13). Fa ao anatin’izany heriny izay miasa izany no ahazoantsika ny fandresena ireo sakana apetrak’ilay ratsy ao amin’ny fiainantsika.

Fanontaniana:

Inona avy ny toe-javatra efa nanahoan’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ny hery sy fahefany ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe