Miaro ny olony ny Tompo, ka

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Jona 2024

Asan'ny Apostoly 18. 5-11

Asan'ny Apostoly 18. 5-11
5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. 6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho. 7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga. 8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. 9 Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; 10 fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho. 11 Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.

<< Ary ny Tompo niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina >> and.9.

Miaro ny olony ny Tompo, ka

1- Mampahery azy:

Manoloana ny fanoherana sy fitenenen-dratsy nahazo an’i Paoly noho ny fitoriana ny Filazantsara tao Korinto dia niteny taminy ny Tompo hoe «aza matahotra ». Niteraka tahotra taminy ireo fanoherana nataon’ny olona ireo (vakio 1 Kor 2.3). Na aiza na aiza alehantsika ary na inona na inona ataontsika momba ny asan’ny Tompo dia tsarovy fa hitan’Andriamanitra ny toe-pontsika.

Tsapany ny alahelo sy ny fahoriana ary ny fangirifiriana mety hahazo antsika. Dia miteny ihany koa Izy amintsika anio hoe << aza matahotra ». Maharaka tsara ny manjo antsika Izy. Izany no mahatonga ny Tompo hiteny hoe «mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. » (Isa. 41.10).

2- Mandray andraikitra ny aminy:

Efa hatrany am-piandohan’izao tontolo izao no maneho fa Andriamanitra dia sady miteny no miasa. Koa raha miteny tamin’i Paoly izy hoe «aza matahotra >> dia mandray andraikitra avy hatrany ho fanehoana izany amin’ny endrika hita maso sy azo tsapain-tanana. Hitantsika izany co amin’ny and. 10. Miditra an- tsehatra ary mandamina ny fiainan’ny olony Izy mba ahalavorary ny asa fanompoana ataon’i Paoly.

Hoy Jesoa: « Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo… » (Mat 6.25). Ny fomban Andriamanitra antsika dia tena zavatra azo tsapain-tanana.

Fanontaniana:

Inona no fanavotana efa nataon’ny Tompo taminao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny tena harena: izay maharitra any a...

Alakamisy, 13 Jona 2024

Ny harena maharitra no tsara katsahina mialohan’ny harena hafa. Tsy misy olona tsy manana faniriana…

Mahasoa ny mihaino anatra, Toy ny ad...

Alarobia, 12 Jona 2024

1- Mahasoa ny mihaino anatra (and 17-18) Ny anatra ataon’izay olona manana traikefam-piainana sy izay…

Arovan’ny Tompo tsy amin’ny fanao ra...

Alatsinainy, 10 Jona 2024

Arovan’ny Tompo tsy amin’ny fanao ratsin’izao tontolo izao ny olony Hafatrafarana mafy mihintsy ny Zanak’i…