Arovan’ny Tompo tsy amin’ny fanao ratsin’izao tontolo izao ny olony

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Jona 2024

Deoteronomia 12:28-31

Deoteronomia 12,28 - 31
28 Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ianao. 29 Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin'ny taniny, 30 dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany. 31 Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny.

Arovan’ny Tompo tsy amin’ny fanao ratsin’izao tontolo izao ny olony

Hafatrafarana mafy mihintsy ny Zanak’i Isiraely rehefa tonga ao amin’ny tany Kanana mba tsy hitsiriritra ny fomba fanaon’ny firenena manodidina satria ratsy izany. Satria miretirenty kokoa ny fomba amam-panaon’ireo firenena ireo, satria misy kilalao sy dihy ary fomba maro izay toa mahasarika ny fo amam-panahy. Na dia mivavaka aza anefa ny Zanak’i Isiraely dia mety ho voasarika ihany ny fony satria manao izay maharavoravo sy mahafinaritra ny fombany. Ankoatran’ny zava-mahafinaritra, somary mampivelatra ny ara-nofo loatra ny fomban’ireo firenena manodidina ireo, manao izay hahazoana vola aman-karena be aok’izany, nefa dia feno tsy rariny satria tsy maintsy hamoizana ain’ olona foana ireny matetika. Sandaina aina, eny hatramin’ny ain-janany aza ny harena be ilomanosany. Rehefa avy kosa izy ireo dia manao izay mahafinaritra ny sainy. Eo indrindra no mipetraka ny olana satria raha zava-mirentirety mahafinaritra fotsiny tsy naninona fa izy miharo faharatsiana no tena loza.

Ry havana na dia olombelona aza isika ka mety ho voakasik izany ny fontsika? dia zava-dratsy izany. Hafarana mafy isika Isiraely vaovao, isika Fiangonana mba hifady izany satria tsy mety amin’ny finoantsika izany. Ataontsika ao anaty saina fa tsy ny eto an-tany ihany no tsinjovina fa indrindra ny mandrakizay. Tsy ny eto an-tany no tena fiainana fa ny any ankoatra. Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Amosa 5.14: « Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy dia ho velona ianareo« .

Fanontaniana

Mahafatatra izay tsara sy ratsy eto amin’izao tontolo izao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe