Manome fahafaham-po amin’ny filana ara-panahy ho an’ireo izay mino Azy ny Tompo , Mamonjy amin’ny fahafatesana faharoa ireo olona mino Azy ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Jona 2024
Jaona 6.34-40
Jaona 6.34-40
34 Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. 35 Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. 36 Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino. 37 Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. 38 Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. 39 Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. 40 Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.1- Manome fahafaham-po amin’ny filana ara-panahy ho an’ireo izay mino Azy ny Tompo (and 35)
Ny fanahy dia mety maty ihany koa raha tsy misy sakafo mahavelona azy. Izay mino an’i Jesoa ihany anefa eto no hahazo izany sakafo mahavelona ny fanahy izany. Dia ny Tenin’Andriamanitra izany, dia i Jesoa Ilay Teny tonga nofo. Ry havana, tena misy fotoana mahatsiaro mangetaheta sy noana ny fanahintsika. Amin’ireny fotoana ireny isika toa mahatsiaro reraka nefa tsy hita hoe nanao ezaka ara-batana mihintsy, mety ho tsy mety koa ny ara-nofo ka miteraka an’izany, mety ho tsy maninona mihintsy indray anefa ny ara-nofo nefa mahatsiaro tsy mahazo aina mihintsy; tsy mahatsiaro ho sambatra e! Tsy ampy sakafom- panahy izay. Jesoa ihany no vahaolana amin’izany, nefa tsy misy mahay mihinana io sakafom-panahy io raha tsy izay olony ihany.
2- Mamonjy amin’ny fahafatesana faharoa ireo olona mino Azy ny Tompo (and 40)
Ny olona rehetra dia tsy maintsy maty avokoa, saingy ny mino an’i Jesoa dia velona mandrakizay. Tsy maintsy mandalo ilay fahafatesana voalohany izy fa tsy lanin’ny fahafatesana faharoa, satria ny ràn’i Jesoa no mamonjy azy amin’izany. Tsy misy avelan’ny Tompo ho very na dia iray aza ireo olona izay mino Azy, satria tsy sitrapon’ Andriamanitra velively izany. Velona mandrakizay izay mino Azy.
Fanontaniana
Tsapanao ho tena mamy ve izany namonjen’i Jesoa anao tamin’ny fahafatesana faharoa izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe