Manafaka ny andevon’ny fahotana ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Jona 2024
1 Jaona 5. 18-21
1 Jaona 5. 18-21
18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany* ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [* Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy] 19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa. 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 21 Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.1- Manafaka ny andevon’ny fahotana ny Tompo (and 18)
Ny olona manota dia andevon’ny fahotana. Tsy afaka ny tsy hanota, ary toa ohatran’ny hoe « tsy manam-pidiny « fa tsy maintsy manota ilay olona. Izay zanak’Andriamanitra efa naterany anefa dia manana ilay fahafahana miaro tena amin’ny fahotana. Miasa tsara ny sainy, na hanota izy na tsia. Rehefa mampiasa ny sainy araka izany izy dia mahatsinjo ny vokatry ny fahotana, izay fahafatesana arahina fahasimbana, dia manapa-kevitra fa tsy hanota; ka mahay miaro ny tenany amin’ny fahotana. Olona afaka izy amin’izany fa tsy andevo velively, ary Jesoa no nanafaka azy tamin’izany fanandevozana izany.
2- Manome fahazavan-tsaina ahafantarana Azy ny Tompo (and 20)
Tsy azo lavina fa tsara Andriamanitra, ary ratsy ny devoly. Saingy tsy fantatry ny olona mpanota izany fahatsaran’ Andriamanitra izany, satria ohatran’ny tsentsina izany ny sainy aman’eritreriny, toa donto, tsy afaka mieritreritra lavitra, hany ka ny ratsy aminy no tsara. Ary na toa andevo aza izy dia tsy misy saina mihintsy ao aminy ny handositra na hanohitra ny fanandevozana izay mahazo azy, fa dia aleony miaritra izay fahararin’ny fanandevozana mandrakizay eo. Fa raha misokatra ny sainy dia aleony misafidy an’ Andriamanitra tsara. Izay naterak’ Andriamanitra ihany anefa no manana io fahazavan-tsaina io ka mahay misafidy an’i Jesoa, Andriamanitra marina.
Fanontaniana
Raha misafidy isika, ahoana ny fomba itarihantsika ny saintsika eo anoloan’ny safidintsika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe