Ny mampiavaka ny mpino

Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Mey 2024

1 Korintiana 3. 16-17

1 Korintiana 3. 16-17
16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? 17 Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany*. [* Na: dia masina koa ianareo]

Ny mampiavaka ny mpino

1- Ny mpino: fonenan’ny Fanahy Masina

Hoy ny and.16: « Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra anatinareo?« . Tokony ho tsaroan’ ny mpino fa rehefa nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy izy dia monina ao anatiny ny Fanahy Masina. lo Fanahy Masina io no manavaka ny mpino amin’ny olon’izao tontolo izao. Mitarika ny mpino hiaina araka ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao ho zava-dehibe ny fiombonana ny Fanahy Masina. Fanahy iray ihany no mitondra sy manapaka ny fiainan’izy rehetra. Asan’ny Fanahy Masina araka izany no mampiombona ny mpino amin’ Andriamanitra sy mampiombona azy amin’ny mpino namany.

2- Ny mpino: mikajy ilay fanorenana miavaka

Hoy ny and.17: « Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia hianareo izany. » Mitaona ny mpino handeha amin’ny fahamasinana Andriamanitra noho ny Fanahy Masina mitoetra sy manapaka ao anatiny. Tsy mahazo manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ny mpino. Izay lalana itarihin’ny Fanahy Masina hatrany no tokony hizorana. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanimban’ny mpino ny tenany amin’ny fanaon’izao tontolo izao. Tsy ankasitrahany ny fanomezana lanja ny asan’ny nofo fa manimba ilay « tempolin’Andriamanitra ». Mamaly ny olona araka izay fomba itondrany ny tenany Andriamanitra. Mitandrema ka reseo ny asan’ny nofo amin’ny fanekenao hotarihin’ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Inona no tokony handresena ny asan’ny nofo izay manimba ny fiainan’ny olona sy ny fiombonan’ny Fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe