Ny fiombonan’ny mpino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Mey 2024
2 Korintiana 13. 11-14
2 Korintiana 13. 11-14
11 Farany, ry rahalahy, mifalia*, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.[*Na: veloma] 12 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. 13 Ny olona masina rehetra manao veloma anareo. 14 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.Ny fiombonan’ny mpino
Mamarana ny epistily i Paoly Apostoly. Teny fanaovam-beloma sy firarian-tsoa no ataony, kanefa mifamatotra amin’izany ny fananarana ny mpino hiaina amin’ny fiombonana.
1- Tehirizo tsara ny fiombonana
Hoy ny voasoratra eto: «Farany, ry rahalahy…». Rehefa nino sy nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny olona dia tonga zanak’Andriamanitra. Mpirahalahy avokoa ny mpino rehetra amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy. Tarihina ny mpino mba hitazona izany firahalahiana sy fiombonana ary fifankatiavana izany. Misy toromarika miisa dimy raisina sy iainana eto amin’izany: mifalia, aoka ho tanteraka, mandraisa fampiononana, miraisa saina, mihavana. Rehefa omena lanja eo amin’ny fiainana ireo dia ho mafy ny fihavanana, miorina tsara ny fifankatiavana ka ho mafy orina ny fiombonan’ny mpino.
2- Miorena amin’ny famonjena
Na dia namatotra ny olona aza ny fahotana dia niasa ho famonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra. Tokony ho tsaroan’ny mpino fa fahasoavana izany: Jesoa Kristy no nahafoy ny ainy ho famonjena. Fitiavan’ Andriamanitra izany: Andriamanitra tia ka tsy mamela ho irery ny olona. Rehefa manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina ny mpino Kristiana dia manaiky hiara-miombona, miombona fiainana ao amin’i Jesoa Kristy sady miorina amin’ny famonjena efa notanterahin’Andriamanitra. Ny olona mitoetra amin’ny fiombonana noho ny asan’ny Fanahy Masina no afaka mihazona hatrany ny famonjena natolotra azy.
Fanontaniana:
Lazao ireo sakana tsy ahafahana manamafy ny fiombonana eo amin’ny samy Kristiana.
Sampana Sekoly Alahady Foibe