Ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Mey 2024

Jaona 14. 15-21

Jaona 14. 15-21
15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankat? aminareo Aho. 19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. 20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

Ny Fanahy Masina

1- Misolo toerana an’i Jesoa Kristy

Fantatr’i Jesoa Kristy fa handalo fahakiviana sy fahabangana ny fiainan’ny mpianatra rehefa mandao azy ireo Izy. Manome toky noho izany i Jesoa Kristy fa mandao amin’ny endrika hita maso Izy, nefa mitoetra eo amin’ny fiainan’izy ireo kosa amin’ny endrika vaovao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina monina ao anatiny. Noho ny fitiavany ny mpianatra dia tsy hamela ny mpianatra ho irery na ho kamboty i Jesoa Kristy ka hangataka amin’Andriamanitra mba ho tonga eo amin’ny mpianatra ny Fanahin’ny Fahamarinana. Tsy irery ny mpino miatrika ny fiainana satria manana ny Fanahy Masina izay nomen’i Jesoa Kristy monina sy mitoetra ao aminy. Matokia ka miorena tsara, fa momba anao hatrany i Jesoa Kristy.

2- Omena izay mitandrina ny didiny

Ny mpianatra, ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izay efa nifanerasera taminy no omena ny Fanahy Masina. Na dia izany aza dia misy ny fepetra takiana amin’izany, ka izay tena mpianatra marina no afaka mandray ny Fanahy Masina. Ny mpianatra marina dia izay mitandrina ny didiny, miaina araka ny sitrapon Andriamanitra (jereo Jao 13. 34-35). Ny olona tsy manana ny didin’Andriamanitra sy tsy manana ny Tenin Andriamanitra dia tsy mahalala ny fikasan Andriamanitra eo amin’ny fiainana mihitsy, ary tsy afaka handray ny Fanahy Masina. Miavaka ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy satria manana sy mitandrina ny didin’Andriamanitra; mino sy afaka mandray ny Fanahy Masina. Izay mitoetra tsara ho tena mpianatra dia handray ny fanomezana tena miavaka avy Aminy.

Fanontaniana:

Lazao ny endri-pifandraisana misy eo amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary ny mpino Kristiana.

Sampana Sekoly Alahady Foibe