Ny olona manana ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Talata, faha 28 Mey 2024

2 Samoela 23.1-7

2 Samoela 23.1-7
1 [Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc] 2 Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako; 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra; 4 Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana. 5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? 6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy; 7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona*; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona]

Ny olona manana ny Fanahy Masina

Ity no fara-teny nataon’i Davida mpanjaka mialoha ny fotoana handaozany ny tany. Raha dinihina ny zava-boalazany eto dia hita fa manao jeritodika ny fiainana nolalovany izy. Mandinika ny lasa, ny ankehitriny ary indrindra ny hoaviny.

1- Tsara fifandraisana amin’ Andriamanitra

Andriamanitra no nanosotra an’i Davida ho mpanjaka. Noho ny Fanahin’Andriamanitra niasa tao anatiny dia nanana fanomezam- pahasoavana manokana izy, namorona hira fiderana teo amin’ny Israely. Miavaka ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Andriamanitra mihitsy no miteny sy mametraka ny teny tao am- bavany, niteny araka izay nampilazain’Andriamanitra azy izy. Ny olona manana ny Fanahy Masina dia manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manontolo, afaka mandray ny Teny avy amin’Andriamanitra ka mampita sy milaza izany amin’ny hafa noho ny fanomezam-pahasoavana.

2- Matoky ny fitondran’Andriamanitra ny fiainany

Andriamanitra no nanendry an’i Davida ho mpanapaka. Ny fitarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no nahafahany nanatanteraka izany tamin’ny fahamarinana sy ny fahatahorana Azy. Tanteraka ny asa maha mpanjaka azy teo amin’ny Israely. Na dia ho faty aza izy dia manana fanantenana, fa Ilay Andriamanitra Marina dia mitana ny fanekena izay nataony ka handray an-tanana manokana amin’ny fitondrana ny taranany (and.5). Ny famonjena efa notanterahin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany, ny faniriany rehetra dia inoany fa hiampita amin’ny taranany. Matoky ny fitondran’ Andriamanitra ny fiainany hatrany ny olona manana ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Inona no tombotsoan’ny olona manana ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe