Ny mpino ampaherezin’ny Fanany Masina

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Mey 2024

Lioka 1.5-17

Lioka 1.5-17
5 Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany. 6 Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo. 7 Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady. 8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony, 9 araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra. 10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra. 11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. 12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra. 13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. 14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany. 15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza. 16 Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. 17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).

Ny mpino ampaherezin’ny Fanany Masina

1- Mijoro amin’ny asa fanompoana

Mpanompo tena niavaka tokoa i Zakaria sy Elizabeta vadiny. Nanana fifandraisana manokana tamin’ Andriamanitra, ary voalaza eto ny hoe «marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady». Saingy efa antitra kanefa mbola tsy nanan-janaka ihany. Na dia teo aza anefa izany dia tsy nihemotra, ary tsy niala tamin’ny fanompoana izy ireo fa nijoro hatrany nanatanteraka izay nanendrena azy, noho ny fahatsapany ny fomban’Andriamanitra ny fiainany.

2-Tsinjovin’Andriamanitra ny fiainany.

Ny fijoroany tamin’ny asa fanompoana no nahatonga an’i Zakaria ho voatendry hanao asa fisoronana sy hiditra ao amin’ny efitra masina tao amin’ny tempoly. Sarobidy taminy io fanendrena azy io, indro naniraka ny anjeliny Andriamanitra ka nilaza taminy ny fikasana ny amin’ny fiainany ho avy (and.13). Ny olona ampaherezin’ny Fanahy Masina ka mitoetra amin’ny asa fanompoana nanendrena azy dia tsy hadinoin’ Andriamanitra, tsinjovin’ Andriamanitra ny fiainany.

3- Mandray fitahiana

Hanan-janaka i Elizabeta vadin’i Zakaria na dia efa antitra sy voalaza fa momba aza. Zaza tena miavaka no omen’ Andriamanitra azy ireo, zaza nofenoina ny Fanahy Masina, zaza hanana andraikitra manokana eo amin’ny tantaram-pamonjen izao tontolo izao. Zaza nahafa-tondromaso azy mivady, kanefa koa dia zaza entin’Andriamanitra maneho ny famindram-pony sy fanavotany izao tontolo izao. Mandray fitahiana ny mpino rehefa ampaherezin’ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Inona no atao mba hananana faharetana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fivavahana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe