Ny olona omban’ny Fanahin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Mey 2024
Jaona 3.1-8
Jaona 3.1-8
1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy. 2 Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy. 3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] 4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? 5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. 6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. 7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony] 8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.Ny olona omban’ny Fanahin’Andriamanitra
Dinidinika teo amin’i Jesoa sy Nikodemosy no andraisantsika fampianarana momba ny asan’ny Fanahy Masina.
1-Maneho ny lalam-pamonjena
Tonga nidinika tamin’i Jesoa Kristy andro alina i Nikodemosy. Tsy tafandry mandry noho ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy mantsy izy, ka indro naka hevitra manokana. Fantatr’i Jesoa Kristy ny hetahetany amin’ny maha mpampianatra teo amin’ny Jiosy azy, dia ny hanantena handova ny fanjakan’Andriamanitra. Noho izany dia nampianatra azy ny lalana ho amin’ny fandovana ny fanjakan’Andriamanitra i Jesoa Kristy Ilay Mpampianatra omban’Andriamanitra. Ny olona manana ny Fanahy Masina dia manoro ny olona mangetaheta ny lalam-pamonjena marina.
2-Maneho ny asan’ny Fanahy Masina
Tsy azon’i Nikodemosy ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy. Niroso nanambara ny asa miavaka ataon’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny olona i Jesoa Kristy (and.5-8). Raha manaiky iasan’ny Fanahy Masina ao anatiny ny olona dia tonga ho amin’ny fahateraham-baovao, manana fiainam-baovao vokatry ny fibebahana sy fanadiovana amin’ny rano amin’ny Batisa. Rehefa manana ny Fanahy Masina ao anatiny ny olona dia manana toe- panahy vaovao sy fiainam-baovao; miaina sy mankato ny sitrapon’Andriamanitra ka tonga tena zanak’ Andriamanitra handova ny fanjakany. Meteza ho iasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao, mba hahatonga anao ho olom-baovao. Ny olona nateraka indray no mandova ny tena fiainana ao amin’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Lazao ireo toetra mampiavaka ny olona manana ny Fanahy Masina sy iasany ao anatiny.
Sampana Sekoly Alahady Foibe