Izy no nifidy izay tiany hofidina.
Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Mey 2024
Salamo 68. 15-18
Salamo 68. 15-18
15 Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana. 16 Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah. 17 Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana] 18 Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any*.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah Andriamanitra]1- Izy no nifidy izay tiany hofidina.
Basana dia anaran’ny faritany atsinanan’ny Tiberiasy. Tany amin’izany faritany izany no nanjakan’ny fahavalon’ny Israely. Anisan’ny mampiavaka azy ny fisian’ny tendrombohitra avo sady maro tendro. Ny tendrombohitr’i Ziona kosa dia iva kokoa raha oharina aminy, kanefa dia nofidin’Andriamanitra ho fonenany Safidin’ Andriamanitra samirery izany fa tsy miankina amin’ izay nataon’i Israely. Mitodika amin’ireo velom-pialonana sy manangana ady amin’ny olom-boafidin’Andriamanitra ny hafatry ny mpanao Salamo manao hoe: « Kanefa nahoana, ry vohi-maro tendro, no ialonanao ilay vohitra voafidy? » (and. 17-DIEM).
2- Asehony amin’izay nofidiny ny Heriny (and.17,18)
Oharin’ny mpanao Salamo ho toy ny mpanjaka avy nandresy an’ady ny herin’Andriamanitra mitoetra eo amin’ny firenena izay nofidiny: manao filaharam-be miaraka amin’ny kalesy sy ny miaramila marobe, mitanjozotra hiakatra ho any an-tendrombohitra fonenan’ Andriamanitra miaraka amin’ireo babo. Izany sary izany no anehoan’ny mpanoratra ny hery sy ny fahefana ary ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’izay onenany. Izany no ilazana fa mahery lavitra noho ireo izay mihevi-tena ho lehibe sy matanjaka ny olona na ny firenena rehefa eo aminy ny fanatrehan’ Andriamanitra. Ankehitriny dia ny Fanahy Masina izay nonina ao amintsika no endrik’izany fanatrehan’ Andriamanitra zany, ka mampahery antsika amin’ny fitoriana ny Filazantsaran Jesoa Kristy sy handresena ny herin’ny satana mbamin’ny faharatsiana rehetra.
Fanontaniana:
Inona no heverinao fa antony nifidianan’ Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe