Ny olona iasan’ny Fanahin’Andriamanitra.

Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Mey 2024

Mika 3.5-12

Mika 3.5-12
5 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina: 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin'] 9 Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra, 10 Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana. 11 Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika. 12 Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.

Ny olona iasan’ny Fanahin’Andriamanitra.

Mahery vaika sy miavaka ny hafatra nentin’ny mpaminany Mika:

1- Feno hery hilaza ny hafatr’Andriamanitra.

Nanjaka ny tsy fahamarinana sy ny kolikoly tamin’ny andron’i Mika. Olom-bitsy no nanao am-pihimamba ny harena. Teo anatrehan’ izany dia nampitondra hafatra an’i Mika mpaminany Andriamanitra mba hananatra azy ireo. Hoy ny teniny: « Fa izaho kosa dia feno hery… » (and.8). Tsy midoka tena akory ny mpaminany raha milaza izany, fa hita eo amin’ny asany ny vokatry ny Fanahy, ka nahafahany nananatra sy nanitsy izay tsy mety teo amin’ny fireneny, indrindra fa ireo olona ambony izay nanana fahefana hifehy ny vahoaka. Rehefa ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra sy monina ao amin’ny olona dia hanana hery sy fahasahiana hanambara izay rehetra ampanaovin’ Andriamanitra azy izy.

2- Tsy miolakolaka rehefa miteny.

Tondroiny mazava tsara ny olona iantefan’ny hafatra, sy ny zava- dratsy fanaony avy. Isan’izany ny mpaminany izay mamitaka vahoaka: raha misy manome azy dia itoriany fiadanana, fa izay tsy manome kosa dia ananganany ady (and.5); ny loholon’ny Israely sy ny mpanapaka izay mamadika ny marina sy ny rariny amin’ny fitiavan-karena maloto sady mangoron-karena amin’ny fandatsahan-drå (and.9,10); ny mpitsara izay mpanao kolikoly ka mampahory ny mahantra, ny mpisorona lasa toy ny mpikarama, ny mpaminany tia vola (and. 11). Ambaran’i Mika mpaminany mazava tsara koa ny loza hanjo sy ny famaizan’ Andriamanitra vokatr’izao faharatsiana sy fahalovana izao. Mampahatsiaro an’i Jesoa Kristy izany: mahitsy fiteny rehefa mananatra ny mpanota mba hanehoana ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny fitiavany. Fanontaniana:

Sahy miteny toa an’i Mika ve ny Fiangonana ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe