Ny olona tapahin’ny Fanahy.

Mofonaina anio: Talata, faha 07 Mey 2024

Romana 8.9-13

Romana 8.9-13
9 Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. 12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.

Ny olona tapahin’ny Fanahy.

Ireto no mampiavaka ny olona tapahin’ny Fanahy:

1- Itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra.

Ny teny hoe « mitoetra » dia milaza ny asa maharitra ataon’ny Fanahin’ Andriamanitra ao am-pon’ny olona izay « ao amin’ny Fanahy ». Amin’izany dia tsy hoe mivahiny, na mandalo sy miserana amin’ny fotoana manokana ao am-po Izy, fa toy ny tompon-trano monina sy mikarakara tsy an-kitsahatra. Ny fandraisana io Fanahin’Andriamanitra, na Fanahin’i Kristy io no mariky ny maha kristiana. Ambaran’i Paoly fa tsy hafa akory io Fanahy io, fa milaza an’i Kristy. « Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy » (and.9). Fananan’i Kristy isika; « an’i Kristy » isika satria itoeran’ny Fanahiny; « mpitrosa » Aminy isika (and.12) ka tsy maintsy mamono ny faharatsiana rehetra mba ho velona araka ny Fanahy, ary hanao izay sitrapony.

2- Atsangany amin’ny maty (and.10)

Avahan’i Paoly eto ny olona « araka ny nofo » sy ny olona « araka ny Fanahy ». Ny olona araka ny nofo dia mbola tapahin’ny ota, manaram-po amin’ny sitrapon’ny nofo; fitiavan-tena no mibaiko azy na amin’ny asa, na amin’ny lalao, na amin’ny fihinana, na amin’ny fisotro, na fitafiana, na fisehoana, na fitoerana samirery, na fiaraha-monina amin’ny hafa. Ny olona araka ny Fanahy kosa, izany hoe: « onenan’ny Fanahy », na dia tsy maintsy ho faty ihany ny tena, ilay olona taloha nanaram-po tamin’ny fahotana. Ary ny Fanahin’Andriamanitra izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no mbola hanangana azy ka hamelona ny tenany mety maty Manazava kokoa izany izay voalazan’i Paoly hoe: « Afafy tena araka ny fomban’aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. » (1 Kor 15.44) Fanontaniana:

Inona no mba antenainao amin’ny fitsanganana amin’ny maty?

Sampana Sekoly Alahady Foibe