Manazava ny saintsika ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Mey 2024

IKorintiana 2.12-16

1 Korintiana 2,12 - 16
12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona* araka ny Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy] 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. 16 Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [* Na: azy]

IKorintiana 2.12-16

Manazava ny saintsika ny Fanahy Masina

1- « …Mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika. » (and.12b)

Raha tia an’Andriamanitra tokoa isika dia hazava amintsika amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina ny zava-miafina momba ny famonjena; izay mifototra tanteraka amin’i Kristy fahendren’ Andriamanitra. Tsy miankina amin’ny fahaiza- mandaha-teny na ny faharanitan-tsaina amin’ny maha olombelona mantsy ny fahatakarana izay rehetra ambaran’ny baiboly, fa miankina tanteraka amin’ny asan’ny Fanahy Masina (jereo and.4). Ny Fanahy Masina irery ihany, izay niasa tao amin’ny mpanoratra ny Baiboly no mitarika antsika hahatakatra izay tian’ Andriamanitra hambara amintsika. Izany akory tsy milaza fa tsy ilaina ny fianarana sy ny fandalinana ny Soratra Masina. Fa izay tiana hambara eto dia ny hahatakarantsika fa tsy ampy hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra raha izay asan’ny sain’olombelona fotsiny amin’izao (vakio ny and.14)

2- Mba hananantsika ny sain’i Kristy (and.16)

Ny olona manana ny sain’i Kristy dia mahalala tsara ny fikasan’ Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao. Ary tsy hoe mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra fotsiny ihany, fa misafidy ny hanetry tena ka hampandefitra izay rehetra faniriana sy ny filan’ny nofo mbamin’ izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny fandraisana fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy Masina ho ao amintsika no hananana izany saina izany ka nahatonga ny Apostoly hilaza hoe: «  »…Fa izahay manana ny sain’i Kristy » (and. 16). Tsy hain’ny olona izay tsy manana ny Fanahin’ Andriamanitra fantarina izany zavatra izany.

Fanontaniana:

Inona avy ny tombontsoa efa noraisintsika avy amin’ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe