Mampahery ny Fanahy Masina.

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Mey 2024

Lioka 12.8-12

Lioka 12.8-12
8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra; 9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra. 10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3] 11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo; 12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.

Mampahery ny Fanahy Masina.

Ireto manaraka ireto no hafatra ho antsika amin’ity anio ity:

1- Maneke an’i Jesoa Tompo (and.8, 9)

Maro tamin’ireo olona niara-belona tamin’i Jesoa no tsy nanaiky Azy ho Tompo. Izany no nilazany hoe: « Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia heken’ny Zanak’olona kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra (and.8). Toy izao no andraisana izany: Izay miandany sy matoky an’i Jesoa amin’ny andro sarotra iatrehana ny fakam-panahy sy izay mety ho fanoherana amin’ny fanarahana Azy, dia iandanian’i Jesoa, ka haharesy sy hahatohitra izany. Koa raha avy ny fotoana izay hiampangana azy eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny manam- pahefana noho ny fanarahany an’i Jesoa Kristy, dia hampahery azy ny Fanahy Masina mba hahafahany mitory ny Filazantsara sy ny fahamarinan’ Andriamanitra. Hoy indrindra ny Teniny: « …Fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo » (and. 12).

2- Aza miteny ratsy ny Fanahy Masina (and.10)

Ny hoe « miteny ratsy ny Fanahy Masina » dia nadika avy amin’ny teny Grika hoe « manao blasfemia ». Nambaran’i Jesoa fa fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ny filazan’ny olona fa namoaka demonia tamin’ny alalan’i Belzeboba i Jesoa. Ny fon’ireo mihitsy no efa ratsy ka mahatonga azy haniratsira toy izany. Maty tanteraka ny feon’ny fieritreretany ka tsy misy faniriana an’Andriamanitra sy ny fahamarinany ao anatiny; tsy miasa ao aminy intsony ny Fanahy Masina mba hampibebaka azy. Ny toy izany indrindra no ananarana antsika mba tsy hanao tsinontsinona ny asan’ny Fanahy Masina, na haniratsira sy hanaratsy ny asan’Andriamanitra sy ny mpanompo izay irahiny.

Fanontaniana:

Araka ny hevitrao, inona no mahatonga ny olona sasany haniratsira an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe