Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao

Mofonaina anio: Talata, faha 30 Aprily 2024

Jaona 11, 6-10

Jaona 11, 6-10
6 Koa nony ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay nitoerany ihany Izy. 7 Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray. 8 Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao? 9 Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao. 10 Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.

Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao

1-Masi-mandidy amin’ny fandaharam-potoanany

Miresaka momba ny nahafatesan’i Lazarosy ity andinin-tSoratra Masina ity. Manana ny fotoanany sy ny fandaharam-potoana araka izay mety Aminy ny Tompo. Tsy toy ny fahita matetika ankehitriny, raha vao misy fahoriana dia mijanona daholo aloha ny fandaharam-potoana rehetra, eny fa na dia ny asa fitoriana aza!

2- Masi-mandidy amin’izay tiany aleha sy atao

Ny dia any Jodia aloha no mahamaika an’i Jesoa. Na dia fantany aza fa nitady hitora-bato Azy ireo Jiosy tany. Tsy mitady tany malemy hanorenana fangady ny Tompo fa mifantoka sy miroso hatrany amin’ny asa fitoriana.

3- Sady fahazavana no mandeha amin’ny mazava

« Raha misy mandeha amin’ny atoandro, dia tsy mba tafintohina izy fa mahita ny fahazavan izao tontolo izao… » (and 9). Fitenin’i Jesoa ny hoe: « Isika tsy maintsy miasa raha mbola atoandro ny andro ». Ny zanaky ny mazava dia miasa mazava, mandeha amin’ny mazava.

4- Mampitandrina ny zatra mandeha amin’ny maizina

« Raha misy kosa mandeha amin’ny alina, dia ho tafintohina izy. satria tsy misy mazava ao aminy » (and10): Tsy sitraky ny Tompo ny fandehanana amin’ny maizina. Toy ny miraparapa izay tsy manana ny mazava. Ny Tenin’ny Tompo no fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny lalana. Na iza na iza tsy manana ny Teniny, na iza na iza tafasaraka amin’i Jesoa Kristy Tompo ka miziriziry tsy manaiky ny lalana sy fahamarinana ary fiainana, dia efa mandeha amin’ny maizina, ary tsy maintsy ho tafitohina.

Fanontaniana

Hafa ihany ny mandeha amin’ny mazava, hazavao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe