Paska: Manorina ny fanekeny ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 31 Martsa 2024
Marka 16. 1-8
Marka 16. 1-8
1 Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy. 2 Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo. 3 Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo antsika? 4 Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato. 5 Ary raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy. 6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy. 7 Fa mandehana, lazao amin'ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo. 8 Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin'ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin'olona izy, satria natahotra.PASKA
Manorina ny fanekeny ny Tompo
1. Aoka hifandinika izay ahitana ny Tompo
Raha ny marina dia tsy i Jesoa velona no antony nandehanan’ ireto vehivavy ireto tany amin’ny fasana. Ny nahatonga izany dia ny fanadinoana ny Tenin’i Jesoa. Isika miaina izao Paska izao kosa dia tian’ny Tompo tsy ho tahaka ireo vehivavy ireo. Tsy ny hanokatra ny fasana no hifandinihina fa izay ahitana ny Tompo nandresy ny fahafatesana.
2. Aoka re tsy hiditra anaty fasana
Rehefa hitan’izy ireo fa nisokatra ny fasana dia niditra tao izy ireo. Ny fasana dia toerana nandevenan’i Jesoa ny fahotantsika ka aza midikiditra ao intsony. Ary aza talanjona isika rehefa nahita Azy nitsangana fa tena izany mihitsy no asa nampanaovina Azy sy antom-piaviany
3. Mandehana fa mialoha antsika Izy:
Amin’izay iraka ampanaoviny antsika dia tsarovy fa manomboka ny andro Paska dia manamafy fa mialoha antsika amin’izay ataontsika Izy. Ary tsy izany ihany fa manala ny tahotra, tahaka izay nahazo ny mpianatra satria nihevitra ireo fa maty ny Tompo
Fanontaniana:
Inona avy ny dinika tokony hifanaovana amin ‘izao andro Paska izao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe