« Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana; Ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny Anarako izy » (and.5 DIEM)
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Martsa 2024
Malakia 2. 5-6
Malakia 2. 5-6
5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6 Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.« Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana; Ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny Anarako izy » (and.5 DIEM)
Atombohy ny Fibebahana
Ny fanekena nataon’Andriamanitra dia tsy asa an-terivozona na asa hahazoany tombony ho Azy fa tena natokany ho antsika mihitsy. Te hihavana amintsika Izy satria efa noravantsika izany fihavanana taminy izany araka ny voasoratra hoe: «Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo … ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy. » (Isa. 59.2)
Andao hanao tahaka ireto Levita izay ambaran’ny Tompo ireto. Handray ny fanekem-pihavanana ataony amintsika mba hisitrahantsika ny fiainana sy fiadanana. Tsarovy fa tao amin’ny Zanany no nanatanterahany izany. Izany no mahatonga an’i Jesoa hiteny hoe: « Izaho avy hananany fiainana sady hananany be dia be » (Jao.10.10)
Mba hampaharitra izany dia mitaky toetra vaovao amintsika izy amin’izao herinandro Masina izao, dia ny hanaja Azy sy hangovitra eo anatrehan’ny Anarany Masina indrindra. Ny fanajana lehibe dia ny manaraka ny Teniny ka mibebaka marina amin’ny ratsy izay natao.
Fanontaniana:
Inona avy no mbola manakana anao tsy handray fiainana sy fiadanana avy amin’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe