lanao koa va mba hitsena ny Tompo Mpanjaka ?
Mofonaina anio: Alahady, faha 24 Martsa 2024
Marka 11. 1-11
Marka 11. 1-11
1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy 2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento et?. 3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina et? indray miaraka amin'izay izy. 4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy. 5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky? 6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain'i Jesosy taminy, dia navelan'ny olona handeha izy. 7 Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy. 8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha. 9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! 10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). 11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania.lanao koa va mba hitsena ny Tompo Mpanjaka ?
1. Ny fiomanana: (and.1-7)
Ho fiomanana dia naniraka ny mpianany haka ilay zana-boriky i Jesoa, ary ireo nitondra izany teo Aminy ka nametraka ny lambany teo amin’ny zana-boriky hipetrahan’ny Tompo
2. Ny fandehanana teny an-dalana: (and.8-10)
Zavatra maromaro no hitantsika nataon’ny olona raha an-dalana hiditra ny tanana Jesoa: tao ny namelatra ny lambany teny an- dalana; tao ny sasany nampihahaka ratsan-kazo efa nalainy teny an-tsaha; ary maro amin’ireo nandeha teo aloha sy aoriana no niantsoantso tamin’ny feo mahery hoe: Hosana, hosana
3. Ny fidirany: (and.11)
Niditra tao Jerosalema izy ary nankeo an-kianjan’ny Tempoly. Satria efa hariva ny andro tamin’izay. Ilay hariva ambara eto dia. ilay fiatombohan’ny andro manaraka. Raha ny fiainantsika ankehitriny dia tsarovy fa te hiditra ao amin’ny fiainantsika ihany koa Jesoa. Ka ilay zana-boriky dia ny fahalementsika. Ny akanjo fitafy dia manambara ny maha izy azy antsika, esory andehanan’i Jesoa. Ary rehefa izay dia hanomboka andro vaovao isika. (jereo ny Gen.1 fa ny andro vaovao dia manomboka ny hariva).
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fiandrasanao lay Mpanjaka?
Sampana Sekoly Alahady Foibe