Manorina ny fanekeny ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Martsa 2024
Hebreo 9. 15-22
Hebreo 9. 15-22
15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. 16 Fa raha misy didim-pananana*, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. [* Na: fanekena] 17 Fa mafy ny didim-pananana*, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy. [* Na: fanekena] 18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà. 19 Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra; 20 dia hoy izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8). 21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa. 22 Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.Manorina ny fanekeny ny Tompo
1. Aza atao ho zava-bitika ny famonjena anao
Ny mpanoratra dia efa nanendry an’i Jesoa Kristy ho mpanelanelana (Heb. 8.6); eto no ambarany hoe ahoana, nahoana izy no mpanelanelana. Nanolotra ny tenany Izy (Heb 9.14), izany no nahatonga azy ho mpanelanelana
Asa lehibe no nataon’i Jesoa ho antsika:
– Amin’ny alalan’ny sorona nataony, Kristy no mpanelanelana amin’ny Fanekena vaovao
– Ny didim-pananana rehetra dia tsy manan-kery afa-tsy amin’ny fahafatesan’ilay nanao azy
– Ny Fanekena voalohany dia nohamafisina tamin’ny fandatsahan-drà ny vaovao
Ny ran’ny Fanekena vaovao nalatsak’i Jesoa no fanavaozam-panekena nataon’ Andriamanitra mba ho antsika rehetra. Tsy misy famelan-keloka raha tsy misy rà latsaka hoy ny and.22. Ary izany no vaovao lehibe mahafaly ho antsika satria Izy Andriamanitra mihitsy no vonona hanatanteraka izany famitram-pihavanana izany.
Fanontaniana:
Mba tanisao ireo fanehoam-pitiavana nataon’ny Tompo taminao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe