Aza manno zavatra mampiova hevitra ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 19 Martsa 2024

Mpitsara 2. 1-5

Mpitsara 2. 1-5
1 [Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay; 2 koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao? 3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny. 4 Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany. 5 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima*; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima = Mitomany]

Aza manno zavatra mampiova hevitra ny Tompo

1. Tsarovy ny famonjeny

Efa tafiditra ny tany nampanantenaina ny Zanak’i Israely satria Gilgala izany dia any afovoan’i Efraima. Nampatsiahy azy ireo ilay Anjelin’i Jehovah ny amin’ny fitondrana azy ireo niakatra avy any Egypta, dia ilay famonjena nahagaga tsy azon’ny sain’izy ireo noeritreretina. Fanandevozana mafy ary fahavalo toa tsy hisy handresy, amin’izany Mosesy ilay olona nofidin’ Andriamanitra tsisy fitaovam-piadiana akory. Misy fotoana tokoa isika mahatsiaro fa toa tsy misy hevitra intsony ny amin’ny fahasahiranana sy zava-tsarotra iainantsika. Tsarovy ny famonjena nataony tany Egypta, tsarovy ny famonjena nataon’i Jesoa (Jao. 3.16).

2. Hazony ny fanekena nataony

Rehefa niditra ny tany nampanantenaina ny Zanak’ Israely dia adinony ny hafatr’Andriamanitra. Aza manao fanekena amin’ny tompon-tany ary ravao ny alitara fivavahany amin’ ireo andriamaniny. Kanefa adinony izany hafatra izany ka nahatezitra an’Andriamanitra ary nahatonga Azy niova hevitra ka tsy handroaka ny fahavalon’izy ireo. Isika ihany koa no ambarany amin’izany. Rehefa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy isika dia tsy hanao fanekena amin-javatra hafa intsony. Fa ampy ho antsika ny fahasoavany.

Fanontaniana:

Tanisao ireo zava-tsoan’ny tany imatimatesan’ny olona ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe