Hafa ihany ny manompo an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Martsa 2024
Genesisy 26. 23-33
Genesisy 26. 23-33
23 [Ny nifindran'Isaka nankany Beri-sheba, sy ny nanaovany fanekena tamin'i Abimeleka] Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba. 24 Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko. 25 Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka. 26 Ary Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin'Isaka. 27 Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo? 28 Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao, 29 fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah. 30 Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy. 31 Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy. 32 Ary tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay. 33 Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.Hafa ihany ny manompo an’Andriamanitra
1. Ombany amin’izay aleha (and.23-25)
Nisy mosary teo amin’ny tany dia nandeha tany Gerara i Isaka. Abimeleka no Mpanjakan’i Filistina tamin’izany. Andriamanitra mihitsy no nitarika azy tamin’ny lalana izay nalehany (vakio and.2-3). Tamin’izay toerana nalehany ka nihadiany lava-drano dia nahita hatrany izy. Ireny anefa dia nalain’ny olona hatrany ka farany nifindra tany Beri-sheba izy. Niseho taminy indray Andriamanitra ary nanavao ny fanekeny fa homba azy Izy (and.24). Tsaroana eto ny Tenin’i Jesoa hoe << indro, Izaho momba anareo mandrakariva >>. Ataon’Andriamanitra aminao koa izany raha mifikitra Aminy ianao, koa manana finoana sy fankatoavana Azy, tahaka an’i Abrahama.
2. Ampihavaniny amin’ny fahavalo (and.26-33)
Nanapa-kevitra Abimeleka sy ny mpanompony ary ny komandin’ny miaramilany fa ho any amin’i Isaka. Feno fahagagana i Isaka raha nahita izany satria ireto olona ireto efa nandroaka azy (and.27). Resy lahatra Abimeleka fa tena momba an’i Isaka Andriamanitra ka ny azony atao dia ny mamitram-pihavanana aminy. Ianao koa raha tena mino sy mifikitra amin’Andriamanitra ianao dia ho feno fitahiana (vakio Deo. 28,1-2), ka na ny fahavalonao aza hatahotra ka hamitram-pihavanana aminao (vakio Zak. 8,23)
Fanontaniana:
Inona avy ireo fitahian’ Andriamanitra hita maso teo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe