Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena vaovao ny fitandremana ny lalàna satria:

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Martsa 2024

Galatiana 3:15-18

Galatiana 3,15 - 18
15 Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena* ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. [* Na: didim-pananana] 16 Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany. 17 Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana. 18 Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.

Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena vaovao ny fitandremana ny lalàna satria:

1. Tsy afaka manafoana ny teny fikasana izy fa ny fanekena vaovao no miantoka izany (and18)

Tao amin’ny fanekena vaovao no tanteraka ny teny fikasana. Ary ny lalàna resahina eto dia ny lalànan’i Mosesy. Ny famonjena tsinona dia tsy avy amin’ny fitandremana ny lalàna fa avy amin’ny fahasoavana nomen’i Jesoa Kristy izay mpanota nibebaka; ka na dia melohin’ny lalànan’i Mosesy aza ilay mpanota, dia voavonjy rehefa miaiky ny fahotana.

2. Ny lalàna dia manana ny maha izy azy (and 18)

Ny asan’ny lalàna dia roa. Ny voalohany dia miabo satria manoro ny fitondran-tenan’ny olona ankasitrahan’ Andriamanitra. Ny faharoa kosa dia miiba satria mampiharihary ny fahotana ary mampiseho fa tsy azo antenaina ny mbola hamonjen’ Andriamanitra olona mpanota be iray. Kanefa, aoka hotsarovana fa mpanota avokoa ny olombelona rehetra. Noho izany tsy hisy hovonjena mihintsy izany raha ny lalàna no arahina, ka fahasoavana amin’ny finoana (Efesiana 2. 8) fa tsy lalàna.

Fanontaniana

Efa nitsara am-po ny namanao ve ianao fa tsy voavonjy izy satria diso tamin’ny lalàna maro?

Sampana Sekoly Alahady Foibe