Ny olon’ Andriamanitra mihazona ny fanekeny Aminy dia manantanteraka ny fifanekena

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Martsa 2024

Genesisy 17: 9-14

Genesisy 17,9 - 14
9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby. 10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. 12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao. 13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. 14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.

Ny olon’ Andriamanitra mihazona ny fanekeny Aminy dia manantanteraka ny fifanekena

Mandrakariva, ry havana, Andriamanitra dia mitazona foana ny fanekeny. I Abrahama eto no nifanaovany fanekena, na dia nisy aza ny fitsapana natao taminy, dia azo lazaina hoe: niadana, be voninahitra izy; na tamin’izany, na dia amin’izao ankehitriny izao dia mbola malaza ihany ny anarany. Fa ny anjaran’i Abrahama dia ny manantanteraka ny fifanekena dia ny fanaovana ny famorana taminy sy izay rehetra taranany. Tao amin’ny Testamenta Vaovao ny famorana dia ny batisa, ary izay taranak’i Abrahama ara-nofo sy ara-panahy toa antsika dia tsy maintsy atao batisa sy manao batisa ny zanantsika sy ny taranantsika. Ilay fanaovana batisa koa anefa dia mbola misy fanekena dimy tsy maintsy tanterahina raha zaza no atao fa raha olon-dehibe dia efatra. Ry havana, voatanantsika avokoa ireny fanekena ireny ? Andao tsarovana áry hefaina izay tsy efa.

Fanontaniana

Efa vita batisa avokoa ve ny olona akaiky anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe