Hazonin’ny Tompo hatrany ny fanekeny na dia tsy mahatoky aza ny olony.

Mofonaina anio: Alarobia, faha 13 Martsa 2024

Ezekiela 16:59-63

Ezekiela 16,59 - 63
59 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena. 60 Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho. 61 Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan'ilay nanaovako fanekena taminao aza. 62 Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, 63 mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.

Hazonin’ny Tompo hatrany ny fanekeny na dia tsy mahatoky aza ny olony.

I Ezekiela dia mpaminany tany am-pahababoana. Lazainy amin’ireo andinin-tSoratra Masina vitsivitsy ireo fa matoa ny olony babo toy izao dia nivadika tamin’ny fanekena nifanaovany tamin’i Jehovah. Efa hitany anefa ny fahavoazany. dia indro Izy maneho amin’ireo vahoaka fa izy ireo no nívadika tamin’ny fifanekena, fa Izy kosa dia mbola mihazona izany hatramin’ny farany, ka manome fanahy mampahamenatra, mba hiarenanany ny amin’ny fahotany mba ho voavela heloka. Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny 2 Tim 2.13 « fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy fa tsy mahazo manda y tenany ». Tsara ny Tompontsika ry havana. Fa raha toa moa isika tsy manana izany fanahy mahalala menatra sy manenina amin’ny fahotana vita izany, mba azon-tsika an-tsaina ve ny fahapotehana aterak’izany amin’ny fiainantsika?

Fanontaniana

Rehefa avy manao fahadisoana ve ianao dia mahatsiaro mangitakitaka? Raha eny dia izao: « Soa ihany »?

Sampana Sekoly Alahady Foibe