Tsaroan’ny Tompo hatrany ny fanekeny

Mofonaina anio: Talata, faha 12 Martsa 2024

Eksodosy 6:2-8

Eksodosy 6,2 - 8
2 [Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6 Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo. 8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.

Tsaroan’ny Tompo hatrany ny fanekeny

1. Na dia fotoana maharitra aza (and 2-4)

Voalaza ao amin’ny Genesisy 15.13 fa nijaly nandritra ny efajato taona teo ho eo ny taranak’i Abrahama ka eto izy no niteny amin’i Mosesy fa hanavotra azy ireo amin’ny tanan’ny Egyptiana; satria mahatsiaro ny fanekeny. Ry havana, maharitra be izany fotoana izany amintsika fa fohy Aminy. Eo anefa no ilàna ny faharetantsika. Hoy ny Salamo 94.4 << Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly. >> Aza kivy raha sendra an-dalam-piaretana àry.

2. Ka mandre ny fitarainan’ny olony ampahoriana Izy (and 5)

Misy firenena manandevo ny firenen’ Israely eto dia Egypta. Fanandevozana amin’ny endriny mampivarahontsana mihintsy izany ka mitaraina ny Zanak’ Israely ka ren’ny sofin’i Jehovah izany. Ry havana, manàna fatokiana Azy fa any aloha any mbola avadiky ny Andriamanitra Tompon’ny tantara ny tantaran’i Madagasikara, na iza na iza firenena manandevo antsika.

Fanontaniana

Ahoana ny hevitrao raha afaka taonjato iray vao hivaly ny vavaka ataon’ny Malagasy ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe