Miaro ny firenena mahatoky Azy ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Martsa 2024

Salamo 125:1-5

Salamo 125,1 - 5
1 [Ny fiarovana mahafinaritra hitan'izay matoky an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Tahaka ny tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema No anodidinan'i Jehovah ny olony Hatramin'izao ka ho mandrakizay 3 Fa tsy hitoetra eo amin'ny anjaran'ny marina ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy. 4 Jehovah ô, manaova soa amin'ny tsara Sy ny mahitsy fo. 5 Fa izay mivily ho amin'ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin'i Jehovah miaraka amin'ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.

Miaro ny firenena mahatoky Azy ny Tompo

1. Ka asehony amin’ny fomba nanamboarany azy (and 1,2)

Hira fiakarana nataon’ny Zanak’Israely ity rehefa izy ireo hiakatra ho any Jerosalema indrindra rehefa mahatazana an’i Jerosalema voadidina tendrombohitra: Ziona izay anisan’izay manome antoka ny fiarovana ny firenena. Tsara toerana ara-jeografia sarotra ho an’ny fahavalo ny manafika azy.

2. Ka tsy hisy firenena afaka hifehy azy (and 3)

Ny firenena an’i Jehovah ka matoky Azy dia tsy hain’ny firenena hafa andevoizina. Marina amin’ Andriamanitra izany.

3. Ka mankasitraka ny marina ary manafay ny ratsy fanahy (and 4-5)

Tsy efa lojika ve izany ry Havana, mbola marina koa amin’ Andriamanitra araka ny ambaran’ny Salamo 71: 24. Ho antsika Malagasy, raha tena matoky an’i Jehovah ny mpitondra antsika sy isika dia tsy maintsy hotanteraka ny fiarovana antsika. Ekeny izany raha ekentsika koa.

Fanontaniana

Nahoana no tsy mbola tanteraka eto amin’ny firenentsika izany ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe