Ny rà no nanehoana ny fenekem-pihavanana teo amin’ny Tompo sy ny olony.
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Martsa 2024
Eksodosy 24:1-8
Eksodosy 24,1 - 8
1 [Ny namonoana fanatitra hanamafiana ny fanekena, sy ny nahitan'i Mosesy mbamin'ny loholon'ny Isiraely an'Andriamanitra] Ary hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo; 2 nefa Mosesy ihany no hanakaiky an'i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. 3 Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehovah dia hataonay. 4 Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon'i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin'ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin'ny folo, araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo. 5 Ary ny zatovo amin'ny Zanak'Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr'ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah. 6 Ary nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin'ny alitara. 7 Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay sy hekenay. 8 Ary nalain'i Mosesy ny rà ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany.Ny rà no nanehoana ny fenekem-pihavanana teo amin’ny Tompo sy ny olony.
Tonga teto ny fotoana anaovan’i Jehovah fanekem-pihavanana tamin’ny Israely. Nasaina niakatra nankao an-tendrombohitra i Mosesy sy Nadaba sy Abiho ary ny loholona fitopolo. Ireto farany no nisolo tena ny vahoaka. Avy eo nambaran’ny Tompo tamin’i Mosesy ny hafany ho an’ny vahoaka ka notateriny tamin’izy ireo izany ka nanaiky ny vahoaka. Nisy ombilahy natao sorona tamin’izany ka ny ràny dia notatazana tamin’ny lovia. Ny antsasak’io rà io dia nafafy tamin’ny alitara izay maneho an’i Jehovah, ny atsasany kosa nafafy tamin’ny vahoaka. Ry Havana, ny didin’i Kristy dia efa nomeny antsika hotandremana, dia nanaiky tokoa isika ary ny tena aman-drany no maneho ny amin’ny fifanekentsika. Ao amin’ny fanasan’ny Tompo anefa no handraisana ireo. Fanamafisana ny famelan-keloka izany sady aina ho antsika; koa aoka hotandremana. Hoy i Jesoa ao amin’ny Jaona 6.53 « Lazaiko aminareo, marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo »
Fanontaniana
Ry Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, mahatsapa izany fiainana izany ve ianao amin’ny maha Mpandray ny Fanasan’ny Tompo anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe