Manao fanekena amin’ny rehetra Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Martsa 2024
Romana 3: 21-26
Romana 3,21 - 26
21 [Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, 22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)] 23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, 24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy, 25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana] 26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.Manao fanekena amin’ny rehetra Andriamanitra
1. Amin’ny alalany finoana (and 28)
Fampianarana tsara fantatry ny rehetra ny hoe: tsy asan’ny lalàna no hamonjena ny olona fa ny finoana an’i Kristy ho Tompo; ny lalàna tamin’ny andron’i Paoly dia ny lalàn’i Mosesy sy vontoatony ary ny fivaonany izay nohenoin’ny Jiosy ahitana ny famonjena; kanefa na dia mitandrina ny lalàna aza dia tsy mahavonjy fa ny finoana an’i Kristy ihany no mahavonjy, Fanekena an’i Jesoa sy ny sitrapony ihany izany no mahavonjy.
2. Amin’ny alalan’ny fahasoavana (and 24)
Ny fahasoavana dia tsy voavidy vola na manao ahoana na manao ahoana kanefa omen’ Andriamanitra maimaim-poana. Ohatra: Jentilisa tsy matahotra an’Andriamanitra, ratsy fanahy loatra nefa nibebaka tamin’ny fahotany dia voavela heloka, nahazo ny fahasoavana izy izany dia ny famelan-keloka. Tsy nandraisan’Andriamanitra vola amin-karena izany; tsy nojereny koa ny maha jentilisa azy. Tsara ny Tompon-tsika ry Havana.
Fanontaniana:
Tsapanao ve izany fahatsaran’ny fomba namonjen’ny Tompo anao izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe