Tsy ny maha taranak’i Abrahama araka ny nofo no maha voavonjy fa ao amin’i Kristy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Martsa 2024

Romana 9. 1-5

Romana 9. 1-5
1 [Ny amin'ny nandavan'Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako, 2 fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko. 3 Fa efa saiky niriko aza ho voaozona* ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo, [* Gr. anatema] 4 izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana; 5 azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay*. Amena. [* Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin'izy rehetra]

Tsy ny maha taranak’i Abrahama araka ny nofo no maha voavonjy fa ao amin’i Kristy

Ireo taranak’i Abrahama araka ny nofo dia tsy mahazo matoky tena fa tsy maintsy voavonjy, na dia mifora avokoa aza ny lehilahy. Fa raha toa kosa izy ireo mino an’i Kristy dia afaka manantena tokoa ary manaiky atao batisa (Marka 16.16). Ry havana, mitovitovy amin’izany koa amin’izao, tsy maha taranak’olona izay malaza amin’ny fanompoana no anantenana famonjena. Fa na novonjena aza ny ray aman-drenintsika; tsy. lovaina avy amin’ireo ny famonjena antsika fa miankina amintsika ihany.

Izay tsy taranak’Abrahama araka ny nofo kosa dia azo vonjena rehefa mino an’i Kristy. Izay no maha sarobidy ilay fanekena vaovao, ho an’ny olona rehetra: Jiosy, jentilisa, lahy, vavy, mainty, fotsy, mpivavaka masina, mpanota « matevin-koditra ». Rehefa mandray an’i Kristy kosa an! Sao mantsy diso fanantenana eo isika.

Fanontaniana:

Efa nahita olona ve ianao nanana fiheverana fa voavonjy ho azy izy satria taranaka Mpitandrina, Ketekista, Mpiandry ary Diakona?

Sampana Sekoly Alahady Foibe