Manao fanekena amin’ny voahariny rehetra ny mpamorona (and 9-11)

Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Martsa 2024

Genesisy 9. 8-17

Genesisy 9. 8-17
8 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe: 9 Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo 10 sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra. 11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony. 12 Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby: 13 Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany. 14 Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana, 15 dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony. 16 Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany. 17 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.

Manao fanekena amin’ny voahariny rehetra ny mpamorona (and 9-11)

Mahagaga eto fa taorin’ny safodrano dia Izy Andriamanitra mpanorina mihintsy no manorina fanekena amin’ireo voahariny ireo: ny olombelona, ny biby rehetra. Zava-doza tokoa mantsy ny safodrano hany ka tiany ny hanao fanekena amin’ny olombelona sy ny biby fa tsy hisy intsony mandrakizay ny safodrano ary ny havana eo amin’ny rahona no marika apetrany mba hahatsoarovany ny fanekena.

Ry Havana, mahagaga, fa manao fanekena amin’ny zavatra nohariany eto ny Mpamorona. Toa hita taratra amin’izany ny fanomezany lanja ireo voahariny ireo ka Izy tenany mihintsy no milatsaka manorina fanekena. Tsapa àry fa tian’ Andriamanitra isika zava-boahariny fa ny satana namitaka an’i Eva no nampidi-doza antsika tamin’ny lalan’ny fahotana araka ny Rom 8: 22 manao hoe: « fa fantantsika fa izao zavatra hary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandrak’ankehitriny ».

Tia antsika ry Havana ny Ray mpamorina antsika ka manisy vidiny antsika ka sahy manorina fanekena amintsika.

Fanontaniana:

Manaiky ve isika fa tena be fitiavana sy indrafo ny Raintsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe