Fehezo ny fahatezerana
Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Febroary 2024
Lioka 15. 25-32
Lioka 15. 25-32
25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. 26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. 27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. 28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. 29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako; 30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. 31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. 32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.1. Fehezo ny fahatezerana (and 28)
« Dia tezitra izy ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy ka nampandroso azy ». Nifanohitra tanteraka ny fandraisana nasetrin’ny rainy ilay ondry nania, sy ny nandraisan’ny zokiny azy. Hita taratra eto fa tsy nahafaly ilay zokiny izao fiverenan’ny zandriny izao, ary raha hitarina aza dia toa maneho mihitsy hoe ny mety aminy dia ny ho tokana an-tranon-dray. Taomina isika, tsy ho mpanenji-dresy, fa handray am-pitiavana sy amin’ny fifaliana izay rehetra mibebaka, ka vonon-kiverina am-bala indray. Ry Kristiana o, andeha tsy hanao tahaka ny boka mialom-poza ka manosika azy hiverina! Fa i Jesoa, na dia be aza ny helotsika dia mbola mandray antsika am-pitiavana be hatrany.
2. Amboary ny fomba fisainana (and)
Nanitşy an-janany ilay ray voatantara eto, nampiany ny zanany hahatakatra fa, sarobidy loatra ny fiverenan’ilay zandriny sy ny fahatongavan-tsainy ka mahatonga ity farany mody amin’ny fanetren-tena. Nahoana koa moa isika raha mba manazava amin’ny hafa fa Andriamanitra izay Tompo aza, vonona handray izay mibebaka, koa isika indray ve dia ho sarotiny alohan’ny Tompony? Andao ialana ny fisainana izay mahatonga hihevitra fa antsika ny ho akaiky an’Andriamanitra ka dia hoe zara aza ny sasany lasa nibirioka any mba hahazoantsika mandova tokana!
Fanontaniana:
Fihetsika manao ahoana no andrasana amintsika manoloana ny very ka hita indray?
Sampana Sekoly Alahady Foibe