Tsy ho karankaina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Febroary 2024
Deoteronomia 11. 13-21
Deoteronomia 11. 13-21
13 Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, 14 dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao; 15 ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky. 16 Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo; 17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo. 18 Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo; 19 ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha; 20 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy; 21 mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.1. Tsy ho karankaina (and 14)
« Dia halatsako eo amin’ny taninareo ny ranonorana amin’ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonando ny varinao sy ny ranomboalobokao ary ny diloilonao ». Tombondahiny ho an’izay tia sy manompo an’Andriamanitra ary Mankato ny Teniny, ny fahazoana fiainana, ka voahevitra ny ara-nofo, mamokatra ny tany, sesehana ny fitahiana ka tsy mosarena. Tsy ny nofo ihany anefa, fa ny lafim-piainana manontolo mihitsy no indray voarakotra ao anatin’izany. Raha fintinina dia izao, ny fankatoavana an’Andriamanitra no loharanom-pitahiana; manana amby ampy ny mpankatò.
2. Tsy mivadika Aminy (and 16)
« Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo ». Mampitandrina Andriamanitra, fa sao raha voky fitahiana ny olona, dia mihevi-tena fa noho ny heriny na ny tanjany no nahazoany izany, ka hanadino an’ Andriamanitra fa lasa indray hanompo sampy. Fitahiana mantsy no karohin’ireny olona mandeha manompo sampy eran’ny vohitra samihafa ireny. Isika Kristiana kosa, mahalala tsara fa ny Andriamanitsika dia mitahy antsika olony mihaino sy Mankato ny didiny: ary mahatezitra an’Andriamanitra ny manao Azy ho toy ny tahom-boanjo.
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona mbola manompo sampy ihany arak any hevitrao? Inona izany no tena tadiavin’ireny olona ireny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe