Mamarana ny taratasiny ho an’ny Fiangonana tao Tesalonika i Paoly ka mitaona ny Kristiana mba:

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Febroary 2024

1 Tesaloniana 5. 12-18

1 Tesaloniana 5. 12-18
12 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo, 13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara. 14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra. 16 Mifalia mandrakariva. 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.

Mamarana ny taratasiny ho an’ny Fiangonana tao Tesalonika i Paoly ka mitaona ny Kristiana mba:

1. Hanana ny Fanahin’ny fankatoavana (and 12)

« Ary mangataka aminareo izahay ry rahalahy mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany » hoy ny Apostoly. Tsipihany mazava tsara fa tokony atao ary andraikitra mihitsy aza, ny manaja ny mpanompon’ Andriamanitra eo amin’ny Fiangonana sy maneho fitiavana azy ireny. Raha hitsiana dia izao, ny tena Kristiana dia tsy mpanome tsiny, na mpanenjika na mpanohitra ny Mpitandrina eo aminy. Fa ho mpanohana azy aza, ary mpikarakara azy amin’ny lafiny rehetra, hahazoany mahavita tsara ny anjara fanompoany.

2. Tsy hijery arin an-tava (and 14)

« Anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina. ampaherezo ny reraka ». Amporisihana ny Kristiana mba tsy hangina fotsiny, na hitazam-potsiny ny tsy fetezana na amin’ny namany na eo amin’ny Fiangonana; fa ho sahy manitsy; kanefa tsy natao ho fanalam-baraka na fanenjehana, tsy ho mafanafana fo ka hisetrasetra am-pitenenana fa atao am-pitiavana tsara. Ny tanjona dia tokana: ny hiverenany amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.

3. Hanana fiainam-pifaliana sy fiainam-bavaka (and 17)

« Mifalia mandrakariva, mivavaha ka aza mitsahatra…« . Ny Kristiana miorina tsara ao amin’ny Tompo dia afaka miatrika amim-pifaliana ny fiainany andavanandro, na inona na inona mitranga sy miseho. Tsy hoe satria matanja-tsaina fa satria manana an’i Jesoa, ary manana fiainam-bavaka. Mandehana ianao ka mba manaova toy izany koa!

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fomba fifandraisanao amin’ny hafa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe