Ilay Andriamanitra manome ny didiny ho an’ny olony
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Febroary 2024
Ezekiela 11. 17-21
Ezekiela 11. 17-21
17 Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo. 18 Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra. 19 Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy, 20 mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. 21 Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny* sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony**, hoy Jehovah Tompo.[*Heb. manaraka ny fon'ny zava-dratsiny][Heb. lalana]Ilay Andriamanitra manome ny didiny ho an’ny olony
1- Andriamanitra manafaka
Tsy mahafoy ny olony Andriamanitra. Babo any babylona ny Jiosy no indro manome teny fampanantenana Izy fa hanafaka ny olona amin’izany. Andriamanitra no hamory, hanangona ny olona niely any an-tanin’olona noho ny faharavan’ny Jerosalema. Izy Andriamanitra no hamerina ny olona ao amin’ny taniny.
2- Andriamanitra manavao
Mba ahafahan’ny olona mitoetra sy monina indray ao amin’ny taniny dia miditra an-tsehatra hanavao ny fiainan’ny olony hatrany Izy. Andriamanitra no hanala ny tontolo feno faharatsiana manimba ny fiainan’ny olona (and.18). Mifamatotra amin’izany ny fanavaozany ny olona amin’ny fanomezany fanahy vaovao ka esoriny ny fo vato; soloiny fo nofo izany. Ny olona nohavaozin’ Andriamanitra no afaka mankatoa ny didiny.
3- Andriamanitra manamafy ny fanekena
Manamafy ny fanekena Andriamanitra: « … izy dia oloko, ary Izaho ho Andriamaniny ». Vahoaka nofidiany, nomeny ny didy sy ny fitsipika mba hitoetra amin’izany. Ny tsy fankatoavana ny didy sy ny fitsipika no nahatonga ny fahababoana. Afaka monina ao amin’ny tany fampanantenana hatrany izay mitandrina ny didiny. Rehefa nanarina ny fiainan’ny olona Andriamanitra dia mitaona ny olona hivelona indray amin’ny fanekena. Hiharan’ny famaizana izay tsy mitoetra amin’ny fanekena.
Fanontaniana :
Nahoana no nanavao ny fanekena tamin’ny olona Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe