Meteza iaina araka ny filazantsara

Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Febroary 2024

1Tesaloniana 4. 1-8

1Tesaloniana 4. 1-8

Meteza iaina araka ny filazantsara

1- Mihavao mandrakariva

Amporisihin’i Paoly Apostoly ny kristiana tao Tesalonika mba handeha amin’ny fiainana ankasitrahan’ Andriamanitra. Fiainam-baovao noho ny fandraisana an’i Jesoa Kristy. Fiainana mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izay noraisina tamin’ny finoana ny filazantsara. Mandeha araka ny sitrapon’ Andriamanitra ka mitombo sy miorina amin’izany mandrakariva no fikasana tsara na dia maro aza ny zava-miseho ao anatin’ny fiaraha-monina izay manome vahana ny faharatsiana. Tarihina isika hihavao sy hitombo mandrakariva eo amin’ny fiainana maha Kristiana, izany dia fanomezana toerana ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isan’andro.

2- Miaina amin’ny fahamasinana

Miaina anatin’ny tontolo feno faharatsiana ny fiangonana. Tarihina hifady ny ratsy hatrany ny mpino. Olona efa nandray ny Filazantsara, efa nohavaozin’ny Fanahy Masina ka manary, mandao ny toetra taloha. Olom-baovao miaina amin’ny fahamasinana satria Andriamanitra masina ilay nifidy sy nanavao. Araka izany, tarihina hiaina araka ny Filazantsara mandrakariva isika mpino Kristiana. Hiaro ny tenantsika, ny fiainantsika tsy ho azon’ny filàna manimba ny fahamasinana. Na dia miaina ao anatin’ny fiaraha-monina feno faharatsiana aza ianao dia meteza hotarihin’ny Fanahy Masina, ka hiaina ny Filazantsara mba hitoetra amin’ny fahamasinana hatrany.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fiainan’ny olom-baovao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe